Teo am-pikononkononana fanafihana : jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy nandritra ny fifampitifirana ny jiolahy mpamerin-keloka, omaly. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy andian-jiolahy mikononkonana fanafihana mitam-piadiana ao Tsaravavaka Antsirabe ka namonjy izany. Vao nahatazana ny polisy ny andian-jiolahy dia nitifitra avy hatrany. Nifamaliana ny tifitra, maty ny jiolahy iray efa mpamerin-keloka. Tafaporitsaka ny namany. Mitohy hatramin’ny omaly ny fikarohana izay tafatsoaka. Hita tany aminy ny basy vita tanana iray nampiasainy isaky ny manao fanafihana. Voalazan’ny polisy fa miaraka amin’ny basy mahery vaika ireo jiolahy mbola tsy tratra.
Mangataka fiaraha-miasa ho an’izay manam-baovao ny polisy.

Jean Claude

Partager sur: