Torimaso fotsy: fiara tsy mataho-dalana, nahafaty mpitaom-biriky

Maty tanatin’ny indray mipi-maso ny mpitaom-biriky iray. Voafaokan’ny fiara teny Anosizato, omaly. Voalaza fa tratry ny torimaso fotsy ny mpamily.

Olona iray namoy ny ainy teo no ho eo vo­ka­try ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Anosizato, omaly tamin’ny 3 ora sy sasany. Fiara tsy mataho-dalana iray nikasa hihazo an’Ampitatafika no niharan-doza tampoka ka tsy nahatana familiana ny mpamily. “Na­moy ny ainy avy hatrany taorian’ny voina nahazo azy ny lehilahy iray raha toa ka na­ratra mafy ny namany roa. Nilaza ho reraka ka tratry ny torimaso fotsy ny mpamily io fiara io”, hoy ny fanazavan’ny zandary Anosizato, izay ao anatin’ny fanadihadiana.

Mpitaom-biriky
Mpiasa mitatitra biriky amoron-dalana, niandry karama izy efatra voafaokan’ny fiara. Nipetrapetraka teo amin’ io toerana nitrangan’ny loza io izy ireo. Tratry ny tampoka, tsy nisy nanampo na inona na inona. Nifatratra tany amin’ izy ireo ny fiara nirimorimo. Vokany, ankoatra ilay maty tsy tra-drano, vaky loha ny iray, tapa-tongotra ny namany izay samy tsy nahatsiaro tena. Naratra mafy kosa ny iray hafa. Nentina namonjy hopitaly izy ireo.

Nikasa hitsoaka
Ankoatra ity tranga teny Anosizato, omaly ity, fiara iray koa nitera-doza tetsy Mahamasina, afakomaly ali­na. Vokatry ny fandehanana mafy, nifaoka mpivarotra sy olona teny amoron-dalana ny fiara. Naratra mafy ny olona iray, nisy telo hafa voadona mafy. Vao avy lavitra dia efa hitan’ny olona nivilambilana ny fiara. Nikasa handositra ny mpamily, na teo aza ny loza. Tsy lasa lavitra anefa, vaky ny kodiaran’ny fiara.
Niditra an-tsehatra tamin’ ny fandaminana ny polisy. “Efa mamo ilay mpamily”, araka ny fanamafisan’ireo na­natri-maso. Nahitana tavoahangy nisy zava-mahamamo tao anatin’ny fiara. Nentina na­monjy ny hopitaly ireo na­ratra. Natao famotorana ilay mpamily. Nogiazana sy naiditra ambalam-pamonjana ny fiara.

Tsiferana R.

Partager sur: