Natao, omaly, teto Antananarivo, ny fivoriana nanombanana ny fandaharanasa ao anatin’ny Tahirimbola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (Fed), andiany faha-11. Mamatsy vola azy ny Vondrona eoropeanina (UE), izay nanomboka ny taona 2014 hatramin’ny 2020, mitentina 492 tapitrisa Euros. Anisan’ny sehatra voakasika ny fanamboarana fotodrafitrasa (204 tapitrisa Euros), toy ny lalana, ny famatsian-drano fisotro madio, ny fanatsarana ny fitantanam-panjakana (142 tapitrisa Euros), ny fampandrosoana eny ambanivohitra (132 tapitrisa Euros). Misy koa ny fanohanana ny Fiarahamonim-pirenena (8 tapitrisa Euros), sy ny hafa. Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (Mef), Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, fa efa fanao isan-taona ny tomban’ezaka, isaky ny seha-pihariana. Nampiavaka ity fivoriana tomban’ezaka ity kosa ny Fed faha-11 ankapobeny.
Endrika vaovao
Tsy mbola tapitra ny fandaniana ny vola fa ny 51% no efa nankatoavina ny hanatanterahana azy, ary izao tombanana izao. Nojerena ny olana, ny sakana ary karohina ny vahaolana.
Tapitra ny Fed faha-11, fa tsy tapaka ny famatsiambolan’ny UE. Notsindrian’ny minisitra fa endrika vaovao indray izany fanohanana izany, ny fametrahana ny fandaharan’asa marolafy ho an’ ny fampandrosoana, antsoina hoe Neighbourhood, development and international cooperation instrument (NDICI). Efa misy tetikasa tohanan’ity fandaharanasa ity (2021-2027), ka izay koa no anton’ny fivoriana, omaly, nijerena ny fitantanana azy, tsy hifanindry amin’ny Fed faha-11.
Njaka A.