Mihazakazaka mamoaka « dosie » na ireo karazana herijika hoenti-manimba ny mpifanandrina ny mpanao politika. Nahoraka ny resaka zom-pirenena, omaly. Manangona porofo ireo milaza ho afaka manao izany. Tonga hatramin’ny fampitandremana isan-karazany. Lasibatra izay nangataka zom-pirenena vahiny, tsy nandova ny razambeny. Tanjona ny hanalana ireo mitazona andraikitra sy ny hanakanana azy ireny tsy ho azo fidiana. Ny indrokely, amin’izao vanim-potoana ilan’ny vahoaka filaminana izao no misy manakorontana ambony ambany ny zava-drehetra. Toa paikady mifono hevi-dratsy ho an’ny mpanao politika. Milaza ny antokon’olona manely ny vaovao fa fitiavan-tanindrazana izany. Ho hita eo ny fivoaran’ny toe-draharaha.
Mifanindran-dalana amin’izay, tsy nandrenesam-peo, mahakasika ny fifidianana ny olona voantonontonona amin’izany. Manohy ny asany mahazatra. Tsy mihontsona amin’ny karazana fanenjehana azy. Inona no ambadik’izany ? Fahatokisan-tena ve sa manaiky matoa tsy miteny? Mendrika ny fangaraharana anefa ny vahoaka, ahafahana mametraka safidy mazava. Firenena sarotiny amin’ny maha izy azy i Madagasikara, rariny sy hitsiny ny famakiana am-batolampy ny zava-misy marina. Tsy tokony hisy raiamandreny, natao ho mpitari-dalana no hanao mpitari-bato vilam-bava. Mpitondra madio sy manara-dalàna no andrasan’ny Malagasy. Raha misy ny tsy mazavazava, adidin’izy ireny no mitsilo ny ati-fanahin’ny mpiray tanindrazana.
Inona no iresahana izany amin’izao fotoana izao ? Zava-dehibe ho an’ny vahoaka ny fifidianana. Tsy tokony hisy aloka maizina, hanembantsembana izany. Mila olona sarotiny amin’ny Lalàmpanorenana ny Malagasy. Olona hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna sy ny soatoavina no andrandraina. Zava-dehibe ny etika sy ny moraly, ary ny fanajana izay voasoratra anaty lalàna. Tsy misy ambonin’ny lalàna. Na mpanohitra na mpitondra tsy misy afaka ny hihazohazo. Tsy vitan’ny vola sy ny hery ny fitondrana firenena, mila fanahy, ilay maha olombelona. Mariky ny fitiavan-tanindrazana ny tsy famahanan-dalitra ny vahoaka. Tsy hijerevana sokajin’olona na antoko izay finiavana hanaja ny mpifidy izay.
Dieny mbola tsy misokatra ny lalao, mila mazava ny fitsipika na ho an’ny mpilatsaka ho fidiana na ny mpifidy. Olona manana izay fitiavana tanindrazana sy mahay manaja olona no handrasana, ny ambiny fikafika sy ady fiady nahazatra ka mila hovaina.
r.r