AFanomezan-dra : tsy marisika sy matahotra ny ankamaroan’ny Malagasy

Mbola tsy marisika sy matahotra ny ankamaroan’ny olona hanome ra, raha ny fanazavana. Nisy, araka izany, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanome ra hanentanana ny olona hanao izany.

Nankalazaina, omaly, teo alohan’ny hopitaly HJRA ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanome ra eto Madagasikara. Nampi­ton­draina ny lohahevitra hoe : “Ndao hizara ra matetika ho fanomezan’aina”. Ambany ny tahan’ny mpanome ra eto Madagasikara, raha ny fanazavana. “Mbola ny ampahadimin’ny ra voaangona no avy amin’ny mpanome ra an-tsitrapo”, hoy ny tale jeneralin’ ny Institut Nasionalin’ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ ny minisitera, Hanitriniala Sahondranirina Pâquerette. “Mbola matahotra manome ra ny olona noho ny tahotra sao ho azon’ny aretina”, hoy ny talen’ny fakan-dra eo anivon’ ny hopitaly HJRA, Rasoama­nanarivo France. Nampihe­motra ny tahan’ny mpanome ra ihany koa ny fotoanan’ny valanaretina Covid-19 vokatry ny lamina tsy maintsy narahina nandritra izany. Ny faha­tsapana ireo antony ireo no mahatonga ny fanentanana matetika ataon’ny tompo­nandraikitra mikasika izany. “Fanomezan’aina ary mahaavotra olona marary maro ny ra, ka tsy tokony hatahotra hanome izany ny olona rehefa miteny ny mpitsabo”, hoy hatrany izy.
Vidiana 8 5000 Ariary ny kitapon-dra iray

Omena maimaimpoana ho an’ny marary eny anivon’ny ho­pitalim-panjakana ny ra fa tsy vidiana, raha ny fanazavana hatrany. “Ny saran’ny kitapon-dra sy ny kojakoja miaraka aminy no efaina vola eny anivon’ny hopitaly”, hoy hatrany ny talen’ny fakan-dra eo anivon’ ny hopitaly HJRA. 85.000 Ar ny paosin-dra sy ny kojakoja miaraka aminy eny amin’ny hopitaly tsy miankina, raha ny fanazavana hatrany. Mitondra olona roa kosa eo anivon’ny hopitalim-panjakana. Mba hahafahana mividy paosin-dra iray hafa.
Ankoatra izay, tafakatra 60 isan’andro ny filàna ra amin’ ny ankapobeny ao amin’ny hopitaly HJRA. “Miovaova arakaraka ny filàn’ny olona ny sokajin-dra ny fahampian’ izany na tsia”, hoy hatrany izy ireo. Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fitahirizana ra voatily ary tsy ahitana aretina eto Madagasikara. Manodidina ny 94 ny ivontoerana hitahirizana izany eto amintsika. Tahirizina ao anatin’ ny vata fampangatsiahana amin’ny hafanana miabo 4°C hatramin’ny 8°C ny ra mba tsy ho simba. Afaka manome ra avokoa ny olona 18 hatramin’ ny 60 taona ary mihoatra ny 50 kilao. Hariana avy hatrany ny ra ahitana tsimokaretina ary ampahafantarina ny na­nome izany, mba hitsaboany tena, raha ny fanazavana ha­trany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: