Nitohy, omaly, teny Ambatofotsy Avaradrano, kaominina Sabotsy Namehana, ny fanampiana ny tantsaha izay potiky ny havandra ny fambolena, ny volana mey teo. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, nanolotra vary 625 kilao, voanemba 250 kilao, vatsy tsinjo 50 isa, lafarinina 100 kilao. Nisy koa masomboly 150 fonosana sy zezika Taroka 30 lasaka. Miisa 50 ny tokantrano marefo nisitraka ireo.
Nankahery ny tantsaha ny filohan’ny Antenimiera, satria amin’ny andro sarotra toy izao no ilàna ny fifanomezan-tanana. Nomarihiny fa mbola hisy ny fotoana hitsidihan’ny filoham-pirenena eny an-toerana. Nankasitraka ny ben’ny Tanàna, Andriamosa Avotra, ary manantena fa hitohy hatrany ny fiaraha-miasa. Tanteraka ity hetsika ity, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena, ny BNGRC ary ny orinasa STOI, nanome ny zezika.
Njaka A.