Fahasalamana : fandidiana ihany no vahaolana amin’ny hernie inguinale

Niresaka momba ny hernie inguinale, mpahazo ny zazakely ny profesora Rahe­rison Aristide Romain, mpandidy ankizy ao amin’ny CHU HJRA, araka ny tatitry ny sampandraharaha mampiroborobo ny fahasalamana (DGFS).
Fandidiana ihany no va­haolana tsara indrindra amin’ ny fitsaboana ity hernie ity, hoy ny profesora. Tsy mifidy fa na mbola vao amam-bolana aza ny zaza dia afaka didiana mba tsy hampihombo ny aretina.
Vetivety ny fandidiana hatao ary efa maro ireo mpandidy mahafehy izany eto amintsika.
Araka ny fanazavana, ho an’ny zazalahikely dia efa mi­forona fony izy any an-kibon-dreniny ny voan’ny filahiana, any amin’ny faha-7 volan’ny zaza ao am-bohoka no midina sy mahazo toerana izany.
Tokony hikatona ny lalan’ ilay voan’ny filahiana raha ny mahazatra. Rehefa tsy mikatona anefa io lavaka io dia lasa miteraka hernie ho an’ ilay zazalahikely.
Ho an’ny zazavavikely kosa dia tokony hijoro makany aloha ny fipetraky ny tranon-jaza. Misy tsy fahatomombanana anefa ny tsy fikatonan’ ny lavaka mandrafitra izany ka mahatonga ny hernie ho an’ny vavikely.
Rehefa mihenjana ny kibon’ny zaza dia misy taova voatosika ao, tsinay ho an’ny zazalahikely ary ovaire ho an’ny zazavavikely. Mibon­tsina ny andaniny sy ankilan’ ny taovam-pananahana. Mi­hena ny fivontosana rehefa tony ilay zaza.
Mety tsy hampiteraka mi­hitsy ny hernie ho an’ny zazalahikely raha tsy voatsabo. Raha manery ny ampahan’ny tsinay kosa ny hernie dia tsy maintsy miafara amin’ny fa­napahana tsinay ary mety hitarika amin’ny fahafatesana, indrindra ho an’ny zaza la­tsaky ny enim-bolana. Ny vehi­vavy kosa dia manimba ny taovam-pananahana ary mety hiafara amin’ny fanapahana tsinay.
Fandidiana ihany no va­haolana. Vetivety ny fotoana hanaovana ny fandidiana. Efa tsy ampiasaina intsony ny fe­hikibo manokana satria heverina fa mety hanery ny tsinay izany, hoy hatrany ny profesora Raherison Aristide Romain.

Tatiana A

Partager sur: