Famatsiam-bola : nanome 1,8 tapitrisa dolara ny Bad

Nanao fifanarahana roa sosona ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny tetibola, sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny 12 jona teo. Famatsiam-bola tsy averina mitotaly 1,8 tapitrisa dolara. Mitentina 1,3 tapitrisa dolara ny voalohany, hanatanterahana ny Faritra hifanakalozana ara-barotra malalaka ho an’i Madagasikara sy Afrika (ZLECAF), izay tsy mbola tanteraka hatramin’izao. Ao anatin’izany ny ha­nanganana ny rafitra hanatanterahana io fifanakalozana ara-barotra io. Eo koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra voakasika rehetra eto amintsika. Ho afaka misitraka ity fifanakalozana malalaka ity i Mada­gasikara rehefa mitsangana ny ZLECAF.

Hanampiana traboina

Mitentina 500.000 dolara ny famatsiam-bola tsy averina faharoa. Natao hanampian’ny fanjakana ny mponina traboina vokatry ny rivodoza Freddy farany teo. Mahatratra 170.000 ny isan’ny olona sahirana ara-tsakafo, manerana ny faritra 12. Miisa 32.000 ny olona marefo vinavinaina hisitraka ity fanampiana ity, homena vary 342 t, voamaina 57 t ary menaka 34 t. Hana­tanteraka azy ny Fandaha­ranasa iraisam-pirenena ara-tsakafo (Pam), miara-miasa amin’ny Birao nasionaly mitantana ny ambana sy ny loza voajanahary (BNGRC). Tanjona ny hametrahana va­haolana maharitra hiatrehana ny loza voajanahary izay tsy maintsy misy isan-taona eto amintsika.
Nanao sonia ireo fifanarahana roa ireo ny minisitry ny Toekarena, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ny solontenan’ny Bad eto Mada­gasikara, Adam Amoumoun ary ny solontenan’ny Pam eto amintsika, Pasqualina Di Sirio.

Njaka A.

Partager sur: