Maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny lehilahy iray nitaingina moto tao Betoloho, Ambandrika, distrikan’Ambatondazaka, ny alatsinainy teo. Nandeha mafy, nifatratra tamina andrin-jiro ny moto nentin’ny naman’io lehilahy io. Nipetraka tao aoriana, nipitika avy hatrany ireto roa lahy ka namoy ny ainy ilay nentina. Naratra kosa ilay nitondra ny moto. Nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly io naratra io. Ankoatr’io, nitrangana lozam-pifamoivoizana koa tetsy Antanetibe-Ilafy, omaly hariva. Fiara tsy mataho-dalana iray nentina mpivady lehibe no tsy nisy hisatra tampoka ka nifatratra tamin’ny sisin-dalana. Naratra vokatry ny dona nahazo azy ireo mpivady. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Tsiferana R.