Afaka hanaraka mivantana ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Black Star Ghana ny vahoaka malagasy. Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena izany.
Vaovao tsara ho an’ny mpankafy ny taranja baolina kitra. Hivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM) ny fihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Black Star Ghana. Lalao hotanterahina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny alahady 18 jona ho avy izao manomboka amin’ny 5 ora hariva.
Tafiditra ao anatin’ny andro fahadimy, amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Can 2024”, izy ity. Efa tsy manana herijika hiatrehana izany intsony ny Barea. Mila miady mafy tsy ho resy anefa, satria manana ny lanjany goavana izany amin’ny filaharana eo amin’ny federasioana iraisam-pirenena (Fifa).
Raha toa ka ratsy ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar, miverina manao ny lalao savaranonando ny Malagasy. Vokasik’izany ny fifanintsanana karakarain’ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf) sy ny Fifa amin’ny taona manaraka.
Mitazona ny laharana farany ny Barea, ao amin’ity vondrona “E” misy azy, tsy manana afa-tsy isa 1 monja. Tsiahivina fa efa resin’i Ghana, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny Barea nandritra ny lalao mandroso, natao tany Accra, ny 1 jona 2022.
Ity lalao eo Mahamasina, amin’ny alahady ity no fihaonana farany raisin’ny Barea de Madagascar amin’ity taona 2023 ity. Efa tonga eto an-tanindrazana avokoa ireo mpilalao mila ravinahitra hanatevina ny Barea. Higadona rahampitso alina, amin’ny 9 ora eto Madagasikara ry zareo Black Star.
Tompondaka