Ho voavaly ny hetahetan’ny mpiasa sy ny mpampiasa. Anisan’ireo miatrika ny fihaonambe faha-11 eo anivon’ny OIT, tanterahina any Génève, ny filoha Andry Rajoelina ary handaha-teny ny tenany, anio.
Ho an’i Madagasikara, mifanome tanana ny fanjakana sy ny mpampiasa ary ny mpiasa ho fanatsarana ny sehatry ny asa. Eo koa ny fijerena ny tontolo iasan’ny mpiasa sy ny hanatrarana ny tanjona amin’ny « rariny ara-tsosialy », lohahevitr’izao fihaonana izao. Efa tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fampiharana ny rariny ara-tsosialy amin’ny sehatry ny asa. Amin’ny alalan’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny asa mba hifanaraka sy hamaly ny hetahetan’ny mpiasa sy ny mpampiasa no hanaovana izany. “Anisan’ny dingana efa vita ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny asa, efa roa taona izao ka andrasana ny fankatoavana izany”, hoy ny tatitry ny minisitry ny Asa, Rivotiana Jean Bosco, anisan’ireo delegasiona any an-toerana.
Hitera-bokantsoa amin’ny fampiroboroboana ny asa, ny fandraharahana sy ny toekarena ny ezaka vitan’ny fanjakana amin’ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy amin’ny sehatry ny asa, araka ny nambaran’ny avy amin’ny Gem, Andriamamonjiarison Noro. “Hitombo ny mpampiasa vola hisehatra aty amintsika ary hitombo koa ny asa ary hatoky ny sehatry ny fandraharahana ny vahiny”, hoy izy.
Tokony ho sahy hitoroka
Nanterin’ny avy amin’ny Fisemare, Randrianarisoa Francine kosa fa mahatsapa ho voaaro amin’ny mety ho endrika tsy fanarahan-dalàna misy eo amin’ny sehatry ny asa ireo mpiasa noho isika mampiditra ao anatin’ny lalàn’ny asa ny fampiharana ny rariny ara-tsosialy amin’ny sehatry ny asa. Efa eo ny lalàna mifehy ny asa. Miaro ny mpiasa sy ny zony ka tsy tokony hisalasala ny mpiasa hitoroka raha misy ny tranga tsy fanarahan-dalàna, araka ny nambarany.
Iraisan’ny rehetra fa hamaly ny hetahetan’ny mpiasa, indrindra fa ny karama farany ambany, ny fihanaky ny kolikoly, ny fanjakazakan’ny fanararaotana ny lalàna iarahana amin’ny OIT ary iarahan’ny telo tonta manaiky : fanjakana sy ny mpampiasa ary ny mpiasa.
Etsy andaniny, ilana orinasa mitsangana sy velona ary tontolon’ny asa mirindra izany. Lalàna manaraka ny fenitra ary atokisan’ny mpampiasa vola, araka ny fanamafisan’ny Gem.
Nentanin’ny minisitry ny Asa ireo mpampiasa vola mba hanatsara ny tontolo fiahiana ny mpiasa. Eo koa ny ezaka ho amin’ny fampanaraha-penitra ireo sehatra tsy manara-dalàna, araka ny nambarany.
Synèse R.
Nihaona tamin’ny filoha Afrikanina Tatsimo, Cyril Ramaphosa ny filoha Rajoelina amin’izao fivahinianany any Genève izao. Voaresaka ny maha samy firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny roa tonta ka hijerena ny fiaraha-miasa. Anisan’izany ny fiarovana manoloana ny trafika mandalo amin’io faritra io, toy ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena. Ny jono tsy ara-dalàna ary koa ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Manampy izany ny tokony hiarahana miasa eo amin’ny lafiny fitsarana koa.
Etsy andaniny, maniry ny hitsidika ny aty amintsika ny filoha Ramaphosa.