Kiady zokiny-Analamanga : nizara akanjo sy sakafo ho an’ny sahirana

Nanatanteraka asa sosialy teny Fenoarivo ny Kiady zokiny (Kimzo) eto Anala­manga. Ao anatin’ny fankalazana ny faha-90 taonany hatrany amin’ity taona ity ny fikambanana skoto, Kiadin’i Madagasikara. Taorian’ireo hetsika marolafy nataon’ny birao foibe sy ireo fivon­dronana maro isam-paritra, nanamarika izany tamin’ny fanatanterahana asa soa teny amin’ny sekoly tsy miankina Lycée Tahiry Soa eny Man­goro Fenoarivo ny Kimzo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tao anatin’ny fotoan’ny “Lasy fompotra” nanomboka ny sabotsy 10 jona tao an-toerana no nanatanterahana ny asa soa. Nahatratra 30 mianadahy ireo nilasy izay natrehin’ny filoha nasionaly Chill sy ireo ekipa nasionaly.

Niverenana niainana avokoa ireo tarazo sy fiainana an-dasy fanaon’ny skoto, ankoatra ny fifanabeazana sy ny fifampizarana traikefa, araka ny teny fanevan’ny lasy hoe “Areheto hatrany ny afo, tazony ny hafanana”. Efa samy nandalo ny anjara toeran’ny mpiandraikitra rahateo izy rehetra ary mbola manohy lahasa skoto. Filamatra iraisana amin’ny skoto maneran-tany rahateo ny hoe “kiady indray andro, kiady mandrakizay”. Nifan­toka tamin’ny fizarana fitafy ho an’ireo olona sahirana teny an-toerana kosa ny asa soa, narahana fizarana sakafo masaka ho an’ireo zanaky ny sahirana. 20 ireo sahirana ary nisy zaza sy ankizy 24. Vokatry ny hetsika “vide grenier” notontosaina talohan’ny fetin’ny noely farany teo ny fitafiana nozaraina. Nitarika ny asa ny filohan’ny Kimzo faritra Analamanga, Iguane sy ireo birao mpiara-mitantana. Hofaranana amin’ny lasy nasionaly lehibe sy fivoriambe any Antsirabe ny fanamarihana ny faha-90 taonan’ny Kiadin’i Mada­gasikara, ny volana aogositra ho avy izao, izay hatre­hin’ny mpikambana rehetra manerana ny Nosy.

Vonjy A.

Partager sur: