Lalao iraisam-pirenena 3 no miandry ny federasiona malagasin’ny judo ato anatin’ny telo volana. Ahitana ny lalaon’ny Nosy sy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao eto Madagasikara ary ny “Jeux de la Francophonie”. Ho fanomanana, hiditra amin’ny fampivondronana ny judokas ny FMJ. Hanomboka amin’ny faran’ny herinandro izany. Mandritra izay no hitiliana ny mpikatroka handrafitra ny ekipam-pirenena.
Nanamafy ny federasiona fa izay eo am-pelatanana no hanatanterahana ny fampivondronana saingy hatao araka ny tokony ho izy. Ny sokajy cadet sy junior ary senior no voaantso. Tsy maintsy tonga avokoa ny atleta voatsonga, araka ny fanazavana.
Ligy 4 no handray ny fampivondronana : eto Analamanga, ao amin’ny Dojo MJI Faravohitra. Any Atsinanana, ao amin’ny Dojo Well Fit Bazar Be. Any Atsimo Andrefana, ao amin’ny Dojo Asco. Any Vakinankaratra, ao amin’ny Dojo Family Judo Club. Mpanazatra avy amin’ireo Dojo voasafidy, miaraka amin’ny kaomisiona teknikan’ny FMJ no hanome ny fanazarantena ho an’ireo atleta. Hanomboka ny sabotsy 17 hatramin’ny 23 jona ity fampivondronana tapany voalohany ity.
Mi.Raz