Mandritra ny fety : mila mailo amin’ny sakafo

Fotoan’ny hanim-pitoloha ny fetin’ny fahaleovantena ho an’ny tokantrano malagasy. Mikarakara ny karazan-tsakafo ho an’ny ankohonana ao an-trano. Mila mailo anefa amin’ny mety ho fanapoizi­nana ara-tsakafo noho ny an­tony maro.
Matetika sakafo na rano nidiran’ny otrikaretina na vokatry ny akora simika no mahatonga ny fanapoizinana ara-tsakafo. Tena saropady ny fanapoizinana ara-tsakafo ho an’ny sokajin’olona marefo toy ny zazakely, reny bevo­hoka, zokiolona, ary ireo manana olana amin’ny hery fiarovana, toy ireo mararin’ny homamiadana, manana are-tina mitaiza…
Mitera-doza ny sakafo tsy voadio tsara na tsy masaka tsara na ratsy fitahirizana.
Zava-doza ny fihinanan atody efa vaky na efa ela loatra ary ny fampiasana ireo ho lasa maionezy. Eo koa ny sakafo manta, hazandranomasina, sakafo ambifotsy (mi­bontsina, misy fofona ratsy, miova ny lokony, mitsiranoka, lany daty…), ny vokatra avy amin’ny ronono efa miva­dika… Ankoatra izany ny karazan-kena ratsy fitahiri­zana na efa misy fahasimbana, indrindra amin’izao fahatapahan-jiro sesilany izao.
Mila fantarina koa ny karazan-tsakafo tsy tokony hiaraka mba tsy havesatra ka mety hiteraka aretina. Lanja­lanjaina ny karazan-tsakafo ary mihinana izay sahaza fa tsy manao tafahoatra. Mila hentitra koa amin’ny fanajana ny fahadiovana na ho an’ny kojakoja sy fitaovana na ireo akora ampiasaina.

Tatiana A

Partager sur: