Hampiakatra ny harinkaren’ny mponina sy hanarina indray ireo toeram-pambolen’ny tantsaka amina kaominina enina ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ny fandaharanasa miady amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany (PLAE) andiany fahenina.
Kaominina miisa enina ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony no horakofan’ala hatramin’ny taona 2027. Anisan’izany Ambalavao, Ambohimandroso, Iarintsena, Besoa sy Vohitsaoka ary Namoly. Hetsika tafiditra ao anatin’ilay fandaharanasa miady amin’ny fikaohan’ny riaka ny nofon-tany (PLAE) andiany fahenina (2022- 2027). Ka 1500 ha natao fambolen-kazo iarahana amin’ny kaominina na ny ala kaominaly. 1500 ha ho an’ny fambolen-kazo hiarovana ny ala mbola tavela. 1350 ha natao ho fambolen-kazo ho an’olon-tsotra, 1030 ha ny fanatsarana ny faritra firaofan’ny biby fiompy. 3604 ha ny ala vadimboly. Tanjon’ny tetikasa ny hiarovana ny sahandriaka, ny fanatsarana ny tontolo iainana izay miompana bebe kokoa amin’ny fanatsarana ny tany ary ny fanarenana ny ala eto Madagasikara. Tanisaina amin’izany koa ny fitandroana ny harena voajanahary mampiavaka ny Nosy ary ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo.
Fihariana
Hanova ny toekarena ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ity tetikasa ity noho izy mahakasika tantsaha maro. “Miantoka feno ny fanatsarana ny vokatry ny tantsaha, ny sakafon’ny biby fiompy, ny fiarovana ny fotodrafitrasa, ny fiarovana ny lemaka voatondraka tsy ho tototry ny atsanga sy ny fasika. Manatsara ny famokarana tantely ary indrindra manampy sy manatsara amin’ny fari-piainan’ny isam-batan’olona ny fandaharanasa”, hoy i Bodonirina Michelle, talem-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Betsaka ihany koa ny tombontsoa ateraky ny tetikasa amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fambolena ataon’ny tantsaha.
Henintsoa Hani