Tarika Filah, tarika Zana-Rotsy ary ny tarika ’Lay. Efa nisy ny fotoana nifandimbiasana sy niarahana teny an-tsehatra. Izao mitohy amin’ny alalan’ny « Cabaret accoustique » izao izany. Seho hotanterahina ao amin’ny Annexe Le Zoma Antaninandro, ny sabotsy 1 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Araka io lohateniny io, hahazo laka ny « accoustique » na ny fampiasana ny gitara tsotra sy tononkira mafonja sy mampita hafatra. Ho voaresaka ao avokoa ny tranga hita eny amin’ ny fiainana andavanandron’ ny Malagasy, tahaka ny fitiavana (olon-droa, tanindrazana…), ny finiavana hiala amin’ny tsy mahomby, sns. Na samy miangaly ny « accoustique » aza ireto tarika telo ireto, azo lazaina rahateo fa samy manana ny maha izy azy ihany koa eo amin’ny tononkira.
Raha tsiahivina, tarika anisan’ny mametraka ho zava-dehibe ny tononkira mampita hafatra ho an’ny rehetra ireto tafaraka eny an-tsehatra ireto. Izany hoe, samy hahazo ny anjarany ny sokajin-taona rehetra. Hifanakaiky amin’ny mpanatrika ho tonga eny an-toerana rahateo izy ireo.
HaRy Razafindrakoto