Tsiroanomandidy : dahalo iray lavo, omby 60 tafaverina

Ravan’ny mpitandro filaminana ny asan-dahalo tao amin’ny distrikan’i Tsiroano­mandidy, ny alin’ny 7 hifoha ny 8 jona teo. Niparitaka ireo dahalo 50 lahy ka votsitra teny amin’izy ireo ny omby halatra. Omby maherin’ny 60, tafaverin’ny mpanara-dia ireo dahalo 50 nanafika tao amin’ny fokontany Tsaratanàna, kao­minina ambanivohitra Mi­andrarivo, distrikan’i Tsiroa­no­mandidy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nitondra fitaovam-piadiana, nangonin’ireo dahalo am-polony ny omby mitotaly 26 ka nirifatra nandositra izy ireo. Nam­pandre ny zandary miasa ao an-toerana avy hatrany ny mponina. Raikitra ny fanarahan-dia niarahan’izy ireo ta­min’ny fokonolona. Nifane­hatra tamin’ireo dahalo, raikitra ny fifampitifirana saingy mbola tafaporitsaka ireo dahalo. Nifandona fanindroany indray ireo mpanara-dia teo amin’ny toerana tsy lavitra ny fifampitifirana voalohany. Vokany, in-telo nifampitana ireo dahalo sy ny mpanara-dia. Maty voatifitra tamin’izany ny iray tamin’ireo mpangalatr’omby. Nirifatra nandositra ireo namany. Votsotra teny amin’ireto farany ny omby maherin’ny 60. Efa nisy novonoin’ireo dahalo ireo teny an-dalana ny omby.

Tsiferana R.

Partager sur: