Voaroba ny volabe: mpividy volamena voafira antsy, efa-dahy voasambotra

Maty voarasa antsy ny mpividy volamena roa lahy nitondra moto, afakomaly. Voaroba ny vola sy volamena. Lehilahy efatra vosambotry ny zandary.

Voasambotra omaly ireo efa-dahy ahiana ho namono nahafaty ireo mpividy volamena roa lahy voarasa antsy tao amin’ny Pk 17, anatin’ny lalam-pirenena faha-14. Nitrangana vono olona mahatsiravina niaro fan­drobana tao Ankariera, kaominina Ambiabe, afakomaly. Mpividy volamena roa lahy lasibatra tamin’izany. “Avy namonjy tsena izy roa lahy ireo ka nitondra entana tamin’ny kitapo nody niaraka tamin’ny moto”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao Ifana­diana. Noho ny haratsian-dalana, nifanehatra tamin’ny dahalo izy ireo ka tsy afa-nandositra. Nosavoritahan’ireo mpandroba, voaroba ny kitapo nisy vola 5 tapitrisa Ar ni­ampy volamena. “Norasa­in’ ireo olon-dratsy tamin’ny an­tsy ka maty tsy tra-drano izy mirahalahy”, araka ny fanamafisan’ny lehiben’ny zana-tobim-paritra ao an-toerana. Lasan’ireo dahalo ny vola tao anaty kitapo sy ny volamena. Nirifatra nandositra ireo nahavanon-doza taorian’io.
Mpanenjika tsena

Mivelona amin’io asa fividianana volamena io, mpivalilahy ireto maty lasibatra ireto. “Nitondra vola mitetina 9 tapitrisa Ar izy roa lahy tamin’ny fotoana nialany tato an-trano”, hoy ny rahalahin’ny maty. “Efa mpanenjika tsena miisa dimy eto anatin’ny distrikan’Ifanadiana izy ireo”, hoy izy. Tsy nanana olana tamin’olona, tampoka ho an’ny fianakaviana ny nahafaty azy roa lahy. Tezitra noho ny fitondrana ireo olona voasambotra niakatra any Fianarantsoa ny mponina ao an-toerana izay nitaky ny hampiharana ny fitsaram-bahoaka. “Tokony notanan’ny zandary eto an-toerana ihany ny raharaha fa tsy nentina nihazo an’i Fianarantsoa”, hoy ity havan’ny maty ity.

Hisorohana amin’ny fitsaram-bahoaka

Toarian’ny tranga, niroso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary miasa ao an-toerana. Olona efatra voasambotra tao Ankelilalina. Nahitana ny kitapon’ny lasibatra tamin’ireo dahalo. “Tsy fantatra ma­zava ny vola nalain’izy ireo sy ny lanjan’ilay volamena hatreto”, hoy ny zandary. Nen­tina niakatra any Fianarantsoa omaly ny jiolahy, efatra voasambotra. “Ho fiarovana ny ain’izy ireo tsy hisian’ny fitsaram-bahoaka no anton’izany”, hoy ny zandary nanamafy. Ny mponina ao an-toerana izay nikasa ny hampiharana ny fitsaram-bahoaka tamin’ireo olona voasambotra. Ma­teti-pitranga ny fisian’ny fandrobana miaro vono olona, toy izao rehefa manakaiky ny 26 jona araka ny fanamafisan’ny mponina ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: