Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka izany indray ireo mponina avy ao amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery ao amin’ny boriborintany fahatelo.
Nanomboka ny talata teo ary hifarana rahampitso ny hetsika. Tonga nitsidika izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nahatratra 546 mahery ireo mponina tonga nijery ny toe-pahasalamany, hatramin’ny omaly, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. «Tena ilain’ny mponina ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka toy izao satria mamaly ny filàn’izy ireo», hoy hatrany izy. Ankoatra izay, nahafaly ny mponina ny fandraisan’andraikitra mivantana nataon’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra. Nisy marary anankiray tojo fahasarotana, teny an-toerana.
Maro ny tolotra hita eny an-toerana toy ny fizaham-pahasalamana, fitiliana diabeta, fizahana maso, fizaham-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza, fanabeazan’aizana sy ny fandrindram-piterahana, fanomezana fanafody maimaimpoana ho an’ireo marary…
Mino (mpianatra asa)