Asa soa – RCTS : ankizy 450 nomena akanjo mafana

Ho fiatrehana ny ririnina, nanolotra akanjo mafana maro, izay milanja 1 taonina sy 850 kilao ho an’ireo ankizy sy mpilalao mpikambana, mitotaly 450, ny Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS). He­tsika fanaon’ny klioba isan-taona, izay notontosaina teny Imamba Soavimasoandro, ny sabotsy 10 jona lasa teo. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny sokajin-taona rehetra misy ao amin’ity klioba ity. Ani­san’ izany ny sokajy zandriny sy ny zokiny, lahy sy vavy.
Tanjon’izy ireo ny hampivelatra ny ankizy amin’ireo sehatra maro samihafa, fa tsy hijanona amin’ny fikolokoloana sy fitaizana ireo katita amin’ny taranja rugby fotsiny ihany. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, isaky ny sabotsy maraina no hanaovana ny fanazaran-tena ho an’ity sekolin’ny rugby ity.
Tsara ny mampahafantatra fa ny ekipa vehivavin’ny RCTS dia ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny amin’ny fifaninanana Top 5 fédérale. Mian­dran­dra vokatra tsara izy ireo amin’ izany fifanintsanana izany.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: