Atleta avy any Chine : nigadona an-tanindrazana ny delegasiona voalohany

Tonga omaly alakamisy 15 jona, eto an-tanindrazana, ireo atleta niofana tany Chine, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy.

Nizara andiany roa izy ireo ka ny delegasiona voalohany no tonga, nahitana ny avy ao amin’ny atletisma sy ny fibatana fonjamby. Afa-po tamin’ny fampiofanana ny atleta, nambaran’i Ricardo Elarion, mpibata fonjamby. Maro, hoy izy, ny zavatra norantovin’izy ireo nandritra izany ary efa vonona tanteraka hiatrika izay fifaninanana ho avy izy.

Nanamafy izany i Depa Lahimanana, mpitarika ny delegasiona, izay nahatsapa fa nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo atleta tany. Betsaka ny nahavita nanatsara ny fe-potoana. Tonga teny Ivato nitsena ireto delegasiona ireto ny filohan’ny federasiona malagasin’ ny atletisma, Raherison Domi­ni­que. Nambarany fa na tsy tany aza ny tenany, nanaraka akaiky ny fizotran’ny fiofa­nan’ireto atleta ireto. Maha­ve­l­ombolo, hoy izy, ny zava-bitan’izy ireo ary antenaina hitondra vokatra tsara izany. Ankoatra ireo avy any amin’ny faritra tsy nanana hivantanana, ka napetraka tamin’ny efitranom-bahiny, namonjy fodiana avokoa izy rehetra. Andrasana ihany koa ny fahatongavan’ny delegasiona manaraka avy any Chine, ahitana ny tenisy ambony latabatra sy ny badminton, izay antenaina fa nahita fahombiazana ihany koa, nandritra ny fiofanana natrehany.
Tsia­hivina, atleta malagasy 51 avy amin’ny taranja 4 no nanaraka ity fiofanana natao tany Chine ity, izay naharitra efa-bolana.

Mi.Raz

Partager sur: