Basikety N1B (L) : hiditra amin’ny ampahefa-dalana

Andro vitsy sisa dia ho fantatra izay ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana N1B lehilahy, taranja basikety. Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana sahady ny fifaninanana. Raha ny lalao ampahavalon-dalana omaly, niady ny fifandonana teo amin’ny RBC Boeny sy ny 3FB Atsimo Andrefana. Isa roa monja (49-47) ny elanelana nisy teo amin’ny roa tonta ka nahazoan’ny RBC Boeny ny tapakila ho amin’ny ampahefa-dalana. Efa nampoizina avokoa, tetsy ankilany ny ekipa ho tafakatra, tamin’ireo ampahavalon-dalana ambiny. Anisan’ izany ny Cosfa Analamanga izay nandavo ny ekipan’ny Fandrasa Matsiatra Ambony, tamin’ny isa 71 no ho 33, sy ny SBBC Boeny, nandresy ny FFPro-BCTM Vakinankaratra, tamin’ny isa 63 no ho 36.

Mi.Raz

AS Victoire Boeny 64-54 Serasera Vakinankaratra
NGB Itasy 66-41 Blac Atsinanana
BC Somava Sava 58-69 Cospn 2 Atsinanana
RBC Boeny 49-47 3FB Androy
Cosfa Analamanga 71-33 Fandrasa Matsiatra Ambony
SBBC Boeny 63-36 FFPro-BCTM Vakinankaratra

Partager sur: