“Cacao fin” : manana ny kalitao tsara isika

Naharitra roa andro ary nifarana afakomaly, teny amin’ ny Radisson Ambodi­vona, ny fivoriana “Panel adhoc cacao fin”. Fihaonana an-tampony niarahan’ireo manampahaizana 20 avy amin’ny firenena maneran-tany mamokatra cacao, nijerena ny kalitao tsara indrindra sy ny vokatra aondrana manerana an’izao tontolo izao. Nilaza ny minisitry ny Fam­piroboroboana ny varotra sy ny indostria ary ny fanjifana (MICC), Razafindravahy Edgard, fa “anisan’ny voalohany isika eto amin’ny Nosy amin’ny hatsaran’ny kakaô malefaka na “cacao fin”, vokarina eto an-toerana. Re­harehantsika ny mampiavaka azy io amin’ny maha kakao malefaka manitra azy. Tom­bony ho antsika izany, satria manana ny vidiny tsara indrindra maneran-tany isika ary miady mba tsy hidina ny vidiny”. Miandraikitra mametra ny vidin’ny “cacao fin” eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny International cocoa organization (ICCO), nanomboka ny taona 2015.

Nihatsara ny vidiny
Nambaran’ny solombavambahoaka Ambanja, Dark­houi Sirits, fa «15000 taonina ny vokatra kakaô tao amin’ny distrika, ny taona 2022 sy ny 2023». Nihatsara ny vidim-bokatra andraisan’ny mpanangom-bokatra azy. Mive­lona amin’ny fambolena ka­kaô ny 80%-n’ny mponina any Ambanja. 10 000 Ariary ny kilaon’ny kakaô malefaka, ankehitriny, raha 6 000 Ariary izany teo aloha. Mahatratra 1 000 hatramin’ny 3 000 dolara ny kilao, eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Andrasana ny hanomezan’ny manampahaizana ny naoty tsara indrindra ho an’i Madagasikara mikasika ny kalitaon’ny ka­kaô eto amintsika.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: