Araka ny fomba fiasa isan-taona, miasa 24 ora amin’ny 24 ora ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mandra-pahatapitry ny fanadinana rehetra. Hanafaingana ny famoahana ny valim-panadinana izany.
Efa any amin’ny foiben’ ny polisy na ny zandary avokoa ny laza adina rehetra ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE, hatao ny talata 20 jona ho avy izao, araka ny fanamarihan’ny tale jeneralin’ny pedagojia, Raoniherijaona Andriamiakatsilavo, omaly, teny amin’ny Cnapmad Ankorondrano. Niara-niasa tamin’ny mpitandro filaminana hatrany ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nanomboka tamin’ny famolavolana ny laza adina, mandalo amin’ny fanaraha-maso ny filaminana mandritra ny andron’ny fanadinana sy ny fitsarana hatramin’ny famoahana ny valim-panadinana izany. Efa nahazo toromarika avokoa ny lehiben’ny foibem-panadinana samihafa momba ny lamina sy ny fepetra arahina mialoha sy mandritra ny fanadinana ny talata ho avy izao. Tsy tokony hisokatra mihitsy ny valopy roa lehibe sy kely misy ny laza adina sy ny kopia hanatanterahan’ny mpiadina ny fanadinana mialoha ny fotoana. Misy lalàna mifehy ny fanadinana sy ny fandikan-dalàna rehetra mikasika izay. Voasazy avokoa ny mpiadina sy ny mpandraharaha raha voaporofo fa nanao hadisoana. «Tranga efa nisy ny fanoratan’ny mpanara-maso ny fanadinana ny valim-panadinana teny amin’ny solaitrabe ka nitovy avokoa ny kopian’ny mpiadina iray efitrano rehefa natao ny fitsarana», hoy ny nambarany.
Efa voazara ny taratasy fiantsoana Momba ny fizarana ny taratasy fiantsoana, maro
amin’ireo sekoly no nisafidy ny hanome izany anio ho fisorohana ny fahaverezana mialoha. Ho an’ny Cisco Avaradrano, efa tontosa nanomboka ny talata lasa teo ny fitsinjarana ny taratasy fiantsoana ho an’ny sekoly rehetra ao anatin’ny Cisco. Hatramin’izao, tsy misy ny olana na fitarainana azo ary tsy tokony hatao takalonaina amin’ny saram-pianarana tsy voaloa ny mpiadina ho an’ny sekoly tsy miankina, hoy ny lehiben’ny Cisco.
Manana mpiadina 11 124 ny Cisco izay hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 23.
Vonjy A.