Fahaleovantena hoe !

Andro vitsy mialoha ny hankalazana ny fetin’ny Faha­leovantena sy ny politikan’i Madagasikara, andao mba hiresaka momba ny fahaleovantenan’ny tsirairay. Miainga amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny tokantrano ary ny fiaraha­monina no maha firenena ny firenena. Inona anefa no teboka tokony horesahina ? Valiny : tsy misy afa-tsy ny tsy fiankinan-doha momba ny toekarena sy ny lafiny sosialy. Handeha hiton­drana famakafakana ny resaka asa sy karama izay mampi­kaikaika ny Malagasy tsivakivolo.
Raha vao miresaka asa eto Madagasikara, mby ao an-tsaina ny asa tsy manara-penitra sy ny asa an-tselika. Porofon’izany, ny firongatry ny varotra amoron-dalana sy ny fisokafan’ny tsenakely isaky ny kihon-dalana. Aleon’ny olona mivelona amin’ny sitrany ahay sy mahavelona amin’ny anio dia anio. Tsy misy fijerena lavitra izany fa aleo mijanona fotsiny amin’ilay hoe aleo maty rahampitso. Tsy manana tanjona goavana, tsy mihevitra tahiry sy fampiasam-bola ahitan-tombony ny androatokon’ny Malagasy, ankehitriny. Mihary mba ahitana izay hatokona isan’andro. Inona anefa ny politika na vahaolana entin’ny fanjakana mano­loana izany ? Tsy mbola nisy drafitra maty paika momba ny asa raha ny fanjakana malagasy. Marina, tafiditra anatin’ny Veli­ranon’ny filoha Rajoelina Andry izany, kanefa tsy misy vokany azo tsapain-tanana. Nanatrika ny fivoriamben’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa, tany Genève, renivohitr’i Suisse, ny delegasiona malagasy, notarihin’ny filohan’ny Re­poblika. Tsy hita anefa ny voandalana avy any ka hipaka mivan­tana amin’ny vahoaka malagasy mivantana. Mijanona ho politika avo lenta izany hatramin’izao. Eto Madagasikara, mbola olana goavana izay mbetika voavaha, mbetika tsy voavaha ny tontolon’ny asa sy ny karaman’ny mpiasa. Samy manana tom­bontsoa ambony arovany rahateo ny mpisehatra .
Ankoatra ny varotra amoron-dalana, manana ny anjara toerana lehibe ihany koa ny sehatra tsy miankina eto Mada­gasikara. Amin’ny maha tsy miankina azy izay, tsy manan-jo hanao tery vaimanta amin’ny resaka karama sy tombontsoan’ny mpiasa ny fanjakana. Mazava be ny fitsipika ho an’ny mpanam­bola : tombombarotra aloha. Tsy maintsy mitaky asa mafy amin’ ny sarany ambany izy ireo. Tsy misy olona hiditra fatian­toka ho an’ny tombontsoan’ny besinimaro izany.
Ny fanjakana izay marefo ihany koa eto Madagasikara. Jereo ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Zara raha maharakotra ny fandaniana fototra eny anivon’ny tokantrano. Vary masaka ara-bakiteny. Tsy mifidy sokajy fa samy mandraingiraingy avokoa ny mpiasa madinika hatramin’ny tomponandraikitra ambony. Ny mpanao politika, olom-bitsy no milibaliba fa ny sarambabem-bahoaka aloha mahita faisana avokoa.
Tanisaina ireo rehetra ireo mba hahitantsika taratra fa sahirana ny Malagasy. Tsy mbola afaka hiteny fa mahaleo tena izany. Samy mbola soavalian’ny fiainana avokoa, amin’ny lafiny rehetra ny vahoaka. Mbola mafy ny ady, mila atomboka amin’ny fizakan-tenan’ny tsirairay.

r.r

Partager sur: