Fanatsarana ny tontolon’ny asa : niaiky ny paikadin’ny filoha Rajoelina ny OIT

Nanokatra ny lahatenin’ny filoha Rajoelina tamin’ny fi­ha­o­nana an-tampony any Ge­nè­ve ny tale jeneralin’ny OIT, Gilbert F. Houngbo, omaly. Niaiky ny tenany raha nilaza nanoloana ireo mpivory fa fakan-tahaka ho an’ny rehetra ny politikan’ny asa eto amintsika. “Anisan’ny lohalaharana eo amin’ny fampiroboroboana ny asa mendrika tao anatin’ny taona maro ianao andriamatoa filoha. Name­tra­ka ny paikady ho laharam-pahamehana amin’izany ho an’ny vahoaka malagasy”, hoy izy. Anisan’izany ireo ta­no­ra sy ny vehivavy. Notsi­a­hiviny fa anisan’ny nampiavaka an’i Madagasikara ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona, nanomboka ny taona 2019. Niantsoany ny filoha Rajoelina izany hifampizara ny momba izany amin’ireo niatrika izany tany an-toerana.

Asa mendrika ho an’
ny rehetra…
Nambaran’ny filoha tamin’ ny lahateniny fa laharam-pa­ha­mehana ho an’ny fitondram-panjakana ny fanomezana asa mendrika ho an’ny rehetra ary efa maro ireo dingana vita amin’ny fanaovan-tsonia ireo fifanarahana maro, ho fanatsarana ny tontolon’ny asa.
Nanteriny fa mitohy hatrany izany ezaka izany amin’ny nanaovana sonia fifanarahana efatra vaovao. Eo ny fifanarahana C155 momba ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpi­asa any amin’ny toeram-piasana. Ny fifanarahana C187 momba ny drafitra lasitra entina mampiroborobo ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa any amin’ny toeram-piasana. Manampy izany ny fifanarahana C161 momba ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana eny anivon’ ny toeram-piasana ary ny fifanarahana MLC 2006 momba ny sata mifehy ny asan’ireo mpiasa an-dranomasina.
Notsindriny fa mifamatotra amin’ny fanabeazana ny tontolo ny asa ka nampaha­tsiahiviny fa nanorina efitrano fianarana 4 200 ny fanjakana ka nampidirana zaza an-tsekoly hatrany amin’ny 200 000 mahery tao anatin’ny efa-taona. Ny nananganana oniversitem-paritra miisa 9. Tafiditra amin’ny fampanakaikezana vahoaka ny fahefam-panjakana izany fotodrafitrasa izany.
Ankoatra izany, nambaran’ny filoha fa tantsaha ny 80% amin’ny Malagasy ary mifototra amin’ny fambolena ny maro amin’izy ireo. Antony nanaovana hetsika karatany izany hiarovana azy ireo sy ny taniny. “Tanjona ny hizarana karatany hatrany amin’ny roa tapitrisa mahery hatramin’ny faran’ity taona ity”, hoy izy. Manampy izany ny fanohanana ireo tanora amin’ny alalan’ ny “Titre vert”, hisitrahan’izy ireo tany 1ha avy, ahafahana miompy sy mamboly…

Asa maherin’ny 30 000 ho an’ny niomerika
Eo koa ny toekarena ma­nga amin’ny fananana mo­ron­tsi­raka hatrany amin’ny 5 600 km ary mamelona olona telo ta­pitrisa amin’ny harena an-dranomasina. Miteraka asa koa izany, araka ny nambarany.
Ankoatra izany, namorona asa hatrany amin’ny 30 000 tao anatin’ny telo taona ny fidirana amin’ny niomerika “Economie digitale” ary niteraka fandraharahana, araka ny nambarany. Niantso ny fiaraha-mientan’ny iraisam-pirenena ny filoha Rajoelina mba hanamafisana ny ady amin’ny tsy fitovian-jo eo amin’ny tontolon’ny asa sy ho fanohanana ireo ezaka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra. “Adidintsika ny mifanome tanana mba hametrahana ny rariny ara-tsosialy tena izy sy ny asa mendrika mba ho zo fototra ho azo sitrahan’ny taranaka any aoriana”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: