Homarihina amin’ny alahady izao ny fetin’ny raim-pianakaviana. Tsy dia maresaka toy ny fetin’ny reny fa mangingina na ny hetsika ara-barotra sy lanonana mahakasika izany aza.
Sarotra ho an’ny ankohonana ihany koa ny mitady fanomezana hatolotra ny raim-pianakaviana. Vitsy karazana ka sarotra ny misafidy ny fanomezana ho azy ireo. Lafolafo koa anefa ny ankamaroan’ ny fitaovana ho an’ny lehilahy ka miteraka sakana be dia be.
Ialana amin’ny mahazatra toy ny ba kiraro, fehin-tenda sy ny fanao anaty izay mahazatra dia azo atolotra ihany koa ny famataranandro, fehin-tanana lamaody, fitaovana fanalana volombava, ranomanitra, kaopy misy sary voavoatra….
Arakaraky ny raim-pianakaviana ihany koa anefa ny fanomezana omena azy. Raha mifoka sigara dia afaka omena irony fandrehetana moderina na fitoeran-tsigara tsara tarehy irony. Raha tia misotrosotro kosa dia misy ireo famahana tavoahangy misy anarana na fitoerana lakile sary vera na tavoahangy.
Ireo ray mpikotrana na tia mampiasa vatana dia maro ny karazana tolotra amin’ireny fitaovam-pikotranana ireny ka amin’izany no isafidianana izay tsy mbola ananany.
Ny sasany jejojejo dia ireo akanjo sy firavaka no fanomezana mety.
Afaka atao koa anefa ny manolotra zavatra mifanaraka amin’ny asa ataon’ilay raim-pianakaviana satria sady hanampy azy izany no afaka ampiasaina isan’andro.
Tatiana A