Jirama : niverina ny delestazy maharitra

Taitra indray ny mpanjifa, nanomboka ny alin’ny alarobia sy ny marainan’ny omaly alakamisy, niverina tapaka naharitra ny herinaratra. Araka ny hita tao amin’ny fampahalalam-baovaon’ny Jirama ao anatin’ny tambajotra ofisialy, « tara ny fahatongavan’ny fiarabe mpitatitra solika avy any Toamasina, satria nisy lozam-pifamoivoizana tany Mandraka, ka nisy fahatapahana ny lalam-pirenena faharoa (RN 2).
Manampy izany, milaza koa ny Jirama fa kely ny tosiky ny rano ao Andekaleka, mampihodina ny milina. Lasa 31 m3/s sisa raha tokony ho 46 m3/s ny tamin’ny taon-dasa (jona 2022). Voatery ha­tao ny delestazy noho ireo.
Vahaolana maharitra naroson’ny Jirama, ny fanorenana toby herinaratra avy amin’ny masoandro any amin’ny distrika 32, sy avy amin’ny riandrano miisa 46. Hampi­tomboina 105 Mw koa ny herinaratra vokarina eny Am­bohimanambola. Lavitr’ezaka ireo, fa tsy maintsy hitohy ny delestazy.

Njaka A.

Partager sur: