Naiditra am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny tambajotra mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (rôrô). Tratran’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina teny amin’ny faritra Ankorondrano, afakomaly ireo olona dimy voarohirohy tamin’ity raharaha fivarotana sy fidorohana ary firaisana tsikombakomba amin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina ity. Angom-baovao no nahafahan’ny polisy nandeha teny an-toerana ka nisambotra ireto voarohirohy ireto. Tratra tao amina trano iray izy ireo. Ny lehilahy iray mpividy raha irakiraka kosa ny ramatoa iray. Ny vehivavy roa mpivarotra héroïne, ny ambiny mpampiantrano ireo mpidoroka rôrô. Nahitana fonosana rôrô dimy ( 0,11 grama) sy rôrô (0,11 grama) mbola tsy vita fono niaraka tamin’ny fitaovana fampiasa amin’izany tany amin’izy ireo nandritra ny fisavan’ny polisy ny tao an-trano.
J.C