Nanafika Cash Point : jiolahy iray maty voatifitry ny zandary

Lasan’ny jiolahy ny vola 2 800 000Ar tao amina Cash Point iray niharan’ny fanafihana tao Amboniavaratra Tsiroanomandidy, afakomaly.

Rotiky ny balan’ny zandary ny jiolahy iray avy nanafika Cash Point tao amin’ny fokontany Amboniavaratra, kaominina Ambararatabe, distrikan’i Tsiroanoman­didy, afakomaly tolakandro. Lasany nandritra ny fanafihana ny vola mitentina 2 800 000Ar. Nisy afaka niantso ny zandary anefa ireo olona teo amin’ny manodidina ity Cash point voatafika ity. Tonga teny an-toerana ny zandary nampian’ny Tafika. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy lasa lavitra dia voatifitry ny zandary tao amin’ny toerana antsoina hoe Ampo­lomita Avaratra ny jiolahy iray. Lavon’ny Tafika ihany koa ny jiolahy iray faharoa. Tafaverina amin’ny tompony avokoa ny vola rehetra teny amin’ireo jiolahy. Tsy nisy taratasy nahafantarana ireto jiolahy ireto tany amin’izy ireo. Miandry ny fianakavian’izy ireo haka ny razana ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly. Ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambararatabe no misahana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

Jean Claude

Partager sur: