Nivoaka ny trano ny mpitaiza… : tovovavy 11 taona niharan’ny fanolanana

Lehilahy iray 19 taona karohin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanolanana nihatra tamin’ny zazavavy 11 taona, tao amin’ny Fo­kon­tany Moramanga ambony, distrikan’i Moramanga, ny zoma 9 jona teo. Tsika­ritr’io lehilahy io fa nivoaka ny trano ilay mpitaiza io zazavavy io, niditra mangingina tao an-trano ilay mpanolana. “Reraka avy nijery fahitalavitra aho ka natoritory teo am-pandriana”, hoy ilay zazavavy. Notape­nan’ilay lehilahy ny vavan’ilay zaza. Nesoriny an-keriny ny akanjon’io zaza io ka naolany. Nirifatra nandositra ilay mpanolana taorian’ny filan-dratsiny. Nentin’ny fianakaviany nohamarinina teny anivon’ny mpitsabo, voamarina fa niharan’ny fanolanana tokoa izy.

Tsiferana R.

Partager sur: