ONG Gret : Omen-danja ny asa sosialy

Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany teto amin’ny Nosy, ny ONG Gret amin’izao fotoana izao. Mandalo eto Madagasikara, araka izany, ny tale iraisam-pirenen’ny ONG ka nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny asa sosialy, omaly, tetsy amin’ny Carlton. Nodinihina nandritra izany, ny zava-bita tao anatin’ ny fotoana nisian’izy ireo. “Nomen-danja ireo orinasa misehatra amin’ny asa sosialy mba hanatsarana sy hampandrosoana ny fiainan’ny va­ho­aka malagasy sy ny firenena iray manontolo”, hoy ny tomponandraikitry ny Gret eto Madagasikara, Andriamihaja Mamisoa. Voakasik’izany ny sehatry ny fanjarian-tsakafo, fitantanana ny rano fisotro madio, ny fikojakojana ny fako, fananganana sy fanatsarana fotodrafitrasa… Miasa manerana ny faritra 22 eto Madagasikara izy ireo.
Misy ny tombontsoa iraisan’ny vahoaka sy ny orinasa hiara-miasa ary ny ONG hatramin’izay fotoana izay. “Anisan’ny faritra nisitraka ny tetikasa ny teo anivon’ny kaominina Ampitatafika sy ny mponina ao aminy”, hoy ny ben’ny Tanàn’Ampitatafika, Ramparaoelina Rado, raha nanontaniana. Olona sahirana maro nisitraka tombontsoa sy ny fotodrafitrasa maro samihafa vita teny an-toerana ary ny fikolokoloana teo amin’ny tontolo iainana ny fiaraha-miasa tamin’izy roa tonta, tao anatin’ny 15taona. Nampivoa­tra ny kaominina sy ny fokontany ny fananganana famatsiana rano sy fanomezan-danja ny fikojakojana ny fako eny an-toerana. “Anisan’ny nampaharitra ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ny fifampitokisana”, hoy hatrany izy.
Azo lazaina fa tsy manana olana amin’ny fiparitahan’ ny fako ny eny an-toerana satria manampy azy ireo amin’ ny fanangonana sy ny fanodinana izany ny ONG Gret, raha ny nambarany hatrany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: