Ratovo Valiha : mahasarika tanora ny « Semaine de la Valiha »

Madiva hifarana ny hetsika « Semaine de la Vali­ha » niarahana tamin-dRa­tovo Valiha, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely). « Ny Valiha sy ny tontolony ho fampandrosoana lovain-jafy » no lohahevitra novoizina nandritra ity hetsika ity. Fampirantiana sy atrikasa ary valandresaka momba ny valiha no nentina namenoana izany hetsika izany. Tanjona ny hametraka ny zavamaneno sy ny zavakanto, indrindra ny valiha amin’ny toerana tokony hisy azy. Maro ireo ankizy sy tanora tonga nitsidika ny hetsika, ary nandray anjara tamin’ny fandaharam-potoana toy ny atrikasa sy vela-kevitra, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, no liana tamin’ny hetsika. Maro tahaka izany ny fanontaniana avy amin’ireto tanora sy ankizy ireto. Tranga maneho sy manamafy indray fa liana tanteraka ny tanora.

Nahavita fikarohana lehibe
Nandritra ny herinandro nanehoana sy nampahafantarana misimisy kokoa momba ny valiha, teny amin’ny CGM Analakely no nahitana fa nahavita fikarohana lehibe, Ratovo Valiha. Anisan’izany ny fomba fitendrena valiha somary kapohina amin’ny rantsan-tanana. Eo koa ny valiha chromatique sy ireo karazan-kira vita aminy.
Ny fitendrena amin’ny ankapobeny no nampianarina sy nampahafantarina tamin’izany. Tohin’ny fandaharam-potoana, tanterahina, anio, ny vela-kevitra mitondra ny lohateny “Tra­dition et modernité”. Ny toerana sy ny lanjan’ny valiha ary ny lalana nodiavin’ity zavamaneno malagasy ity no horesahiny amin’izany. Ny valiha ma­noloana ny zava-misy an­kehitriny sy ny fandrosoana.
Fampisehoana iarahana amin’ny tarika Ratovo Valiha, hatao rahampitso maraina kosa no hamaranana ity hetsika ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: