Salon ITM : mampiakatra 15% ny harinkarena faobe ny fizahantany

Fototra iorenan’ny fampandrosoana sy mampiroborobo ny toekarena ny fizahantany noho izy mampidi-bola. Tafiditra amin’izany ny “Salon International tourism fair Madagascar”, atao eny amin’ny CCI Ivato.

Mitondra anjara biriky amin’ny fivelaran’ny fizahantany sy ny hoaviny ny hetsika “Inter­national tourism fair Mada­gascar” (ITM) andiany fahasivy. Fotoan-dehibe mampivondrona ireo mpisehatra maro na eto an-toerana na avy any ivelany ity hetsika atao eny amin’ny CCI Ivato ity. Tanjona ny hampahafantatra an’i Madagasikara amin’ireo firenena ivelany sy hampiroborobo indray ny fizahantany eto an-toerana. Ivon’ny fampandrosoana ny fizahantany noho izy mampifandray sehatra maro. Toy ny asa tanana, ny kolontsaina, ny fitaterana, ny sakafo sy ny maro hafa. Afaka mampiakatra 15% ny harinkarena faobe ihany koa noho izy mampidi-bola ho an’ny firenena. Tanjon’ny minisiteran’ny Fizahantany rahateo ny hahatratra mpizahatany 1 tapitrisa, amin’ny taona 2028. “Hetsika iray entina mampiroborobo ny fizahantany sahady ny ITM. Ary koa fampiroboroboana ny fampiasam-bola”, hoy ny minisitry ny Fizahantany, Randriamandranto Joël, nandritra ny lahateniny.

Drafitr’asa
Nametraka paikady maro samihafa ny minisitera mpiahy ny hetsika hanarenana indray ny sehatry ny fizahantany taorian’ny krizin’ny Covid-19. Tao ny tsenaben’ny fizahantany entina hampiroboroboana izany eto an-toerana. Fametrahana ny tetikasa miatrika sy ny tetikasa mandrisika. Ary ny paikady hampidinana ny haba sy hetra tokony ho aloan’ny orinasa
sy mpandraharaha misehatra amin’ny fizahantany. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny Eductours sy ny fisokafan’ny lanitr’i Madagasikara ary ny fampitomboana ny sidina miditra eto amin’ny Nosy. Tsiahivina fa anisan’ireo toerana dimy be mpitsidika maneran-tany i Madagasikara. Ankoatra izay, misy fanentanana maro samihafa atao eny amin’ny CCI Ivato. Ao ihany koa ny lalao ahazoana loka isan-karazany.

Henintsoa Hani

Partager sur: