Tropy zokiny indrindra, fa tropy mihetsika indrindra ihany koa ! Tsy mitsaha-mikaroka hevitra hampitana sy hampitiavana ny teatra ny Tropy Jeannette. Ezahan’ izy ireo samy mahazo ny anjarany, araka izany, avy ny mpankafy teatra. Efa nentin’ny tropy tetsy amin’ny efitranon’ny Arena Ivandry an-tsehatra tsy ela akory izay, ilay piesy « HM ». Noho ny toerana kelikely, voafetra ihany ireo afaka nianoka izany.
Vaovao lehibe hoan’ny rehetra kosa ny fahafantarana fa holalaovina an-kalamanjana, eo Analakely manoloana ny Lapan’ny Tanàna indray ny « HM », ny alahady 18 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ny tropy Jeannette andiany faha-3B, izay tarihin-dRavalison Tsiory, no haneho ny talentany mandritra izany.
Piesy klasika, nosoraran-dRakoto de Monplaisir, tamin’ny taona 1938 ny “HM”. Izany hoe efa nolalaovin’ny Tropy Jeannette andiany voalohany izy ity. Maneho taratra ny fianan-tokantrano, amin’ny alalan’ny tantaran’i Jean sy Hélène, izy ity. Fitiavana miaro hasarotam-piaro, maka endrika mampihomehy ary mbola hita taratra amin’ny vanim-potoana ankehitriny, no asehon’ny “HM”. Mandravaka ny piesy ireo sanganasan’Andrianary Ratianarivo, izay hira teatraly efa fahenon’ny rehetra ny sasany.
Zo ny Aina