Nitsidika ny tsenan’i Soanierana ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, omaly. Notsidihana nandritra izany ireo tsenan’ny fokontany III I ao ambany tsena Soanierana sy ny tsenan’ny fokontany III J ary ny fokontany III L Soanierana. Nangatahan’ireo mpivarotra tao amin’ ny tsenan’ny fokontany III I tamin’ny ben’ny Tànana ny mba hanasiana vavahady eo amin’ny tsena. Mba hisorohana ny trangana tsy fandriampahalemana eny an-toerana. Ankoatra izay, ny hanasiana jiro manazava ny tsena ary ny hampitomboana ny ora fisokafan’ny trano fidiovana.
Mahatratra 96 ireo mpivarotra eny amin’ny tsenan’ny fokontany Soanierana III J sy III L, raha ny fanazavana. Anisan’ny nangataka sy nitaraina tamin’ny ben’ny Tanàna ihany koa izy ireo mba hamerana ny fandehanan’ny kamiao lehibe eto Antananarivo. Nilaza izy ireo fa miteraka ny fahasimban’ny lalana haingana ny tsy fanajana izany. Teo koa ny tokony hanatsarana sy hanasiana jiro eny anivon’ny tsena. Tafiditra ao anatin’ny fitarainan’izy ireo ihany koa ny fahasimban’ny lakandrano vokatry ny fanorenana tsy ara-dalàna sy ny hanalana ireo fako mivangongo eny an-toerana.
“Hanao ny asa tandrify azy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa ilaina hatrany ny fandraisan’andraikitry ny mponina manoloana izany”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina.
Mino (mpianatra asa)