Antananarivo Renivohitra: 40 isan’andro ireo taxi-be anaovana fitsirihana

Namoaka naoty vaovao hanamafisana ny fitsirihana ho an’ireo fiara fitaterana iombonana eto an-drenivohitra ny fiadidiana ny Tanà­nan’Antananarivo Renivo­hitra. Niverina nanomboka ny volana desambra 2021 lasa teo izany, taorian’ny fangatahan’ireo kaoperativa teo anivon’ny fitaterana iombonana eto an-dRenivohitra. Manodidina ny 40 isan’andro ireo Taxi-be manao fitsirihana “visite de conformité » eny amin’ny Service munici­pale d’entretien des véhicules (SMEV) Ampasam­pito. Tan­jona ny hahafahana manara-maso ny fiara sy hisorohana ny lozam-pifamoivoizana misesy eto an-dRenivohitra.
Nanambara ny Tale misahana ny fitaterana sy fifamezivezena eto an-dRenivo­hitra, ny commissaire divisionnaire, Ainanirina Albert Estel fa miverina indray ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato. Nilaza izy fa samy hafa ny « visite technique » sy ny « visite de conformité ». Tokony hanatanteraka izany avokoa ireo fiara rehetra izay mandraharaha eto anivon’ny fari-piadidianan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Natokana hoan’ ireo fiara mandraharaha eto anivon’ny fari-piadidian’ Antananarivo Renivohitra ary ny tomponandraikitra mahefa avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny « visite de conformité ». Mbola ireo fiara eo anivon’ny zotra Urbaine ihany no manao izany.

Savain’ny polisy
Afaka misava ny taratasin’ny fiara ny Polisy mo­ni­sipaly sy ny Polisy Nasio­naly, misehatra ao anatin’ ny Kaominina Antanana­rivo Renivohitra. Maha­voa­sazy sy mahatafiditra am-balam-pamonjana ny tsy fanaovana ny « visite de conformité ». Atao izy ity alohan’ny « visite techni­que ». Efa-bolana ny faharetan’ireo fitsirihana roa ireo. Tsy mitovy ny teboka sy ny fepetra amin’ny fitsirihana ny fiara amin’ireo karazana fitsirihana ireo. Mamaly manokana ny se­hatra fandraharahana eto anivon’ny Tanànan’Anta­na­na­rivo ary ny filaminan’ ny mpandeha ao anatin’ireny fiara iombonanaireny ny « visite de conformité ».
Hivoaka tsy ho ela ny naoty mikasika ny « visite de conformité » avy ao amin’ny UCTS.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: