Atletisma – «Mada 2023»: hatao eo Mahamasina ny fifaninanam-pirenena

Nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA) fa hotanterahina eo amin’ny “piste tartan” ao amin’ny kianja Barea Maha­masina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasika­ra, taranja atletisma, sokajy rehetra amin’ity taona ity. Araka ny tetiandro napetraky ny federasiona, hatao ny 30 jona ka hatramin’ny 2 jolay izany.
Mandray anjara amin’izany avokoa na ireo atleta vao avy niatrika fiofanana tany Chine aza, araka ny voalazan’ny filohan’ny federasiona hatrany.
Hanana ny lanjany goavana ity fihaonana ity satria hitsongana izay handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasikara. Ha­moaka lisitra voalohany, hiatrika ny fampivondronana ny federasiona aorian’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­dagasikara ity. Hisy avy eo ny fifaninanana tsapa, hifantenana farany izay ho voatazona ao anaty ekipa nasionaly.
Nomarihin’ny tale teknika nasionaly mpanampy, Rafe­nomanga Johnson fa voafetra ny olona afaka manatrika ity fifaninanam-pirenena ity, hitandrovana ny fotodrafitrasa ao an-toerana.

Tompondaka

Partager sur: