Manomboka izao, handray an-tanana ny fanohanana ny Barean’i Madagasikara ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Tanjona ny hanao Can sy Mondial 2026.
«Hiditra an-tsehatra amin’ny fanampiana ny Barea de Madagascar, ny minisitera mpiahy manomboka anio», hoy i Haja André Resampa, minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), omaly, raha tonga nitsodrano azy ireo, teny Mahamasina. Araka ny nambarany ihany, manana vina vaovao ny hahatafita ny Barea any amin’ny “Can” sy ny “Mondial 2026”, ny fitondram-panjakana. “Rehefa noresahan’ireo olona ny tenako, mandraisa andraikitra ho an’ny Barea, dia tena hiditra an-tsehatra izahay”, hoy ihany ity minisitra ity. Araka izany, hisy ny paikady telo hoentina hampandrosoana ny baolina kitra malagasy. Voalohany, hanangana ekipa teknika vaovao, izay hiaraha-miasa amin’ny mpanazatra Barea, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô. Faharoa, tsy hionona amin’ny fandraisana anjara ny ekipa malagasy fa hiezaka ny ho lasa lavitra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra. Farany, mety hisy fandaharanasa manokana hijerevan’ny minisitra ireo mpilalao Barea, mba hahafahana manatratra ny tanjona iraisan’ny Malagasy rehetra, hanao “Mondial 2026” sy ny “Can”.
“Mety indrindra dia tsy resy”, hoy i Rôrô
“Mety indrindra dia tsy resin’i Ghana, ny vokatra ratsy mety hisy dia ny ady sahala, saingy ny lalao no hamaritra azy”, hoy ny Coach Rôrô. Araka izany, hilalao tsy misy teritery ny Barea de Madagascar rahampitso, raha hifanandrina amin’ny Black Star Ghana, etsy Mahamasina. Marihina fa ny fihaonan’ny roa tonta, tafiditra amin’ny andro fahadimy, fifanintsanana “Can Côte d’Ivoire 2023”, ho an’ny vondrona E.
“Vonona tanteraka ny Malagasy mpilalao, ary hiezaka ny hiaro ny voninahi-pirenena”, hoy ihany ny Coach Rôrô. Miandry fatratra ity lalao ity ny rehetra. Tsiahivina fa ny Coach Rôrô, nitondra avo ny Barea, nandritra ny “Chan Alzeria 2022”, ary efa nandresy Ghana ny Barea Chan. Mbola manila vela ny Barea amin’ity fifanandrinana miverina ity, satria nomontsanin’ny Black Star, tamin’ny isa 3 no ho 0, izy ireo, nandritra ny lalao mandroso.
Marihina fa isika no farany ao amin’ity vondrona E ity, ary manana isa 1 raha toa ka i Ghana no voalohany, isa 8. Raha lavon’ny Ghaneanina ny Barea, ho tafakatra amin’ny Can ry zareo.
Tsy misy fanantenana intsony moa ny ekipam-pirenena malagasy, saingy mbola miady mafy izy ireo ny tsy hidirana amin’ny lalao savaranonando “Tour préliminaire”, ny taona manaraka ary hitsinjovana ny filaharan’ny Fifa.
Fitia (Mpianatra asa)