Fangerana ankalamanjana : « Tokony hogadraina ireo mpanao maloto hampahomby ny ady »

Sahirana ireo olona hiondrana handray « vedette » na lakana eo amin’ny seranan-dakana eo Mahavatse II, ao anatin’ny kaominina ambonivohitra Toliara amin’ny fofona (vokatry ny tay miparitaka) sy ny loto miparitaka eo an-toerana.

Efa nataon’ny mpitantana ny tanàna ho laharam-pahamehana ny fahadiovana sy ny ady amin’ny fangerena ankalamanjana fa mbola sarotra ny ady, hoy ny lefitra faha­roan’ny ben’ny Tanàna misa­hana ny drafitry ny tanàna sy ny fahadiovan’ny daho­lobe, Manasoa Andria­mi­rify Patrick. 20% amin’ny va­hoaka ihany no mandray ny fanentanana sy manaraka ny toromarika momba ny ady amin’ny fanaovana ma­loto ankalamanja sy fahadiovana amin’ny ankapobeny, araka ny fanamarihany ha­trany. Maro ny ONG mifarimbona amin’ny minisiteran’ ny Rano sy ny fanadiovana ary fidiovana manentana eny ifotony fa mila fotoana ma­haritra ny fiovan’ny toe-tsain’ ny mponina. Kolontsaina raiki-tapisaka ny fangerena ankalamanjana ary anisan’ ny toerana hanaovan’ny besinimaro izany ny morondranomasina ao Mahavatse II. Maro ny mpizahatany miandry fiondranana mahita ny zava-misy ka mitondra sary ratsy ho an’i Madagasi­kara.
Ilaina ny fampiharana sazy ho an’ireo mpangery an­kalamanjana hampahomby ny ady, araka ny heviny. Tsy misy lalàna manasazy hatramin’izao fa lamandy fotsiny no aloa raha tratra manao ma­loto ankalamanja. « Fanaga­drana mihitsy no mendrika ny mpangery ankalaman­jana ary hanao ezaka manokana ny departemanta misy azy hametrahana lalàna hanagadrana izay tratra rehetra. Mila fiaraha-miasa amin’ny lehiben’ny fokontany enina koa hanampy amin’ny fanentanana ny mponina », araka ny fanehoan-keviny ihany.
Nanambara ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatanty Paubert fa efa nametrahana toeram-pivoahana teo amin’ny seranan-dakana eo Mahavatse II fa tsy nisy nampiasa mihitsy ka rava ho azy ilay fotodrafi­trasa. Ny toe-tsaina mihitsy no mila harenina hanovana ilay kolontsaina.

Vonjy

Partager sur: