Nivory ireo vondron-kery telo samihafa, mivondrona ao amin’ny Emmo manerana ny Nosy, omaly. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny toby Ratsimandrava izy ireo nandritra izany. Nanaovanan’izy ireo tatitra mikasika ny fandaminana mandritra ny fetin’ny fahaleovantena hoavy izao. Teo koa ny fanaovana ny tomban’ezaka eo anivon’ireo EMMO-REG, EMMO-FAR manerana ny Nosy. Nambaran’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, jeneraly Rakotondrazaka Andry, fa : “mba ho fankalazana ao anatin’ny filaminana sy fitoniana amin’ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantena, ny tanjona”. Nivoitra nandritra izany fa hatevenina ny mpitandro ny filaminana hanara-maso ireo fankalazana rehetra manerana ny Nosy. Ahetsika ihany koa ireo hery vonjitaitra amin’ireo tanàn-dehibe isan-karazany, indrindra ny Renivohitry ny faritra. Ahetsika toy izany, ny vonjivoina rehetra, mba ho vonona lalandava amin’ny loza mety hitranga tampoka (lozam-piarakodia, trano may…). Efa nisy ny fanomanana amin’izany rehetra izany.
Azo antsoina andro sy alina
Manana ekipa mpiandry raharaha izy ireo ary azo antsoina andro aman’alina. Raha sendra misy trangan-javatra tsy ampoizina na trangana tsy filaminana, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fety. Nambarany fa : “raisina ho zava-dehibe ny fametrahana ireo paikady ireo satria andro manokana isan-taona ny fetin’ny 26 jona”. Mirary ny Malagasy rehetra mba hanao fety sambatra, mandritra ny fankalazana ny 26 juin 2023, izy ireo.
Mino (mpianatra asa)