Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny kermesy lehibe iombonan’ny mpitandro ny filaminana, atao eny amin’ny kianjan’i betongolo. Haharitra 10 andro, nanomboka omaly ary hifarana ny 26 jona hoavy izao. Tanjona ny hisian’ny fiombonam-po eo amin’ny vahoaka malagasy mandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ ny fetin’ny fahaleovantena. Nambaran’ny ministry ny fiarovam-pirenena, jeneraly Rakotoarijaona Josoa fa: “hampisehoana amin’ny vahoaka fa tsy afa-misaraka ny mpitandro filaminana rehetra eto amin’ny Nosy”. Mba hampifaliana ny vahoaka malagasy rehetra, indrindra ny ankizy madinika ihany koa. Ahitana tranoheva maro samihafa ampirantina ny tantara sy ny andraikitry ny polisy, zandary ary miaramila eny an-toerana. Ahitana kilalao isan-karazany natokana ho an’ny ankizy ihany koa. Mirary ny malagasy rehetra hankalaza ny fetim-pirenena anatin’ny filaminana sy am-pitoniana tanteraka ny ministry ny fiarovam-pirenena. Ankoatra izay, mba ho afaka hifidy ankalalahana, izay olona tiany hitondra ny tany sy ny firenena ny vahoaka rehetra.
Mino (mpianatra asa)