Naseho, omaly zoma, ny horonantsary fanadihadiana mikasika ny fiainan’ny Mikea, notontosain’i Jean Claude Vinson. Nahatratra 1 300 ny mpijery tao amin’ny efitrano malalaka Basia any Toliara. Hita fa tsy mahakasika ny Mikea ny tetikasa Base Toliara, ka tokony hosokafana satria hitondra fampandrosoana.
Taterin’ilay horonantsary fa mivelona amin’ny ala, mihaza sy miremby ny Mikea. Tandindonin-doza anefa satria potehin’ny mponina hafa ny atiala, hambolena katsaka aman-taonina. Eo koa ny mpitrandraka ala tsy ara-dalàna (andramena sy volombodimpoina) ary ireo mpanamboatra lakana hoan’ ny mpanjono. Naseho tao koa ny sekoly naorin’i J.C Vinson sy ny mpiara-miombon’antoka, toy ny Base Toliara.
Nientana daholo ny iray efitrano nahita ilay horonantsary ary maro no tena variana sy taitra. Nilaza ny filohan’ny tanora Toliara II, Rafesy Jean Claude, fa « nahitanay zava-baovao tokoa ity horonantsary ity, satria tsy nahalala ny tena marina mikasika ny base Toliara izahay, fa tsy araky ny feo tsy marina niniana naely. Ankasitrahanay ny nahalalana fa tsy mahakasika ny Mikea ny tetikasa Base, fa vao mainka aza harovana izy ireo. Miantso ny fanjakana foibe izahay ny hanokafana indray ity orinasa ity, satria tsy an’ asa ny tanora aty Toliara, manjaka ny tsy fandriampahalemana. Hihena ireo rehefa misokatra ity orinasa ity ».
Tsy misy ifandraisan’ny Base ny tsy fisian’ny trondro
Ho an-dRtoa Dalienne, solontenan’ny vehivavy avy any Benetsy, « resy lahatra aho izao taorian’ny nahitako ilay horonantsary, fa fanampiana goavana ho anay ny Base Toliara. Tsy araka ilay tsaho nilazana fa handringana ny ala ity orinasa vahiny ity ».
Manampy izany, nambarany fa « vao haingana izao, nisy lakana mpanjono miisa 17 niainga tany Tsifota nankany Mahajanga, nandeha nandritra ny roa herinandro. Antony, tsy misy intsony ny trondro any Tsifota, porofo iray hilazana fa tsy misy ifandraisany amin’ny Base Toliara izany, izay tsy miasa ankehitriny. Raha misokatra ity orinasa ity, hisy ny asa ho an’ny mponina sy ny asa sosialy, toy ny fananganana sekoly sy ny hafa ».
Hitondra fampandrosoana
Notsorin’i Houssen, mponina ao Toliara, fa « anisan’ ireo tena nanohitra ny tetikasa Base aho. Tena sanganehana aho amin’ny hoavin’ny Mikea, nihevitra aho fa tena hijaly izy ireo raha ho tanteraka ity tetikasa ity ary ho ringana ny atialany. Saingy, nasehon’ny horonantsary ny tena marina sy ny zava-misy, ka resy lahatra aho fa tena hitondra fampandrosoana ny Base Toliara. Entaniko ny olon-drehetra tsy ho mora sodokan’ny vaovao tsy marina aparitaka. Miantso ny Vezo aho, ary tsy manana tombontsoa manokana hitondra anareo, toa ahy, ho any amin’ny lalana tsy izy. Aoka isika tsy hino ny filazana fa tsy azo hanaratoana intsony any Andaboy ».
Njaka Andriantefiarines