Iray volan’ny ankizy : maneho ny hetahetany i Bertrand, zaza varira

Zanak’olona sahirana mipetraka any ambanivohitr’i Faradofay i Bertrand. 15 taona izy ary kilasy fahadimy. Hanala fanadinanana CEPE avy hatrany izy amin’ny talata izao. 5 mianadahy izy ireo no zanaky ny ray aman-dreniny ary samy varira avokoa. Efa indroa nisy naka an-keriny i Bertrand saingy avotra teo am-pelatanan’ny olon-dratsy hatrany.
Nisy fotoana, telo andro no nitazoman’ny mpaka an-keriny azy ary niaina fijaliana. Amin’izao iray volan’ny ankizy izao, manana ny faniriany i Bertrand. Ny ho tafita amin’ny fianarana ka ho lasa mpiasa birao no tanjony. Maniry ny hisitraka ny zo toy ny ankizy rehetra izy, afaka mianatra am-pitoniana tsy misy tebiteby, misakafo, milalao, ho arovana, ho tsaboina raha marary…
Manoloana ny fahasahiranany anefa, satria kamboty reny izy ary ny rainy tokana no misahana ny famelomana azy 5 mianadahy dia maniry izy ny mba hisian’ny fanampian’ny fanjakana azy ireo. Faniriany ny hanafoanana ny famonoana ny olona manana toe-tena varira tahaka azy. Ny hampiharana ny sazy mafy amin’ireo olona mahavanon-doza amin’izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: