Jiu-Jitsu Brésilien : hatao etsy Soarano ny « Squad games »

Hatao anio amin’ny 2 ora tolakandro, ilay fifaninanana «Squad games», eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu Brésilien. En Gi (manao kimono) ny hitranga amin’izany, ahitana ireto sokajy rehetra ireto. «Ankizy» : -8 -10 -12 -14 -16 taona. Sokajy olon-dehibe (débutant): -60 -67 -74 -81 -88 +88kg (6 lahy) + 1 open vehivavy(1). Sokajy olon-dehibe (avancé) : -60 -67 -74 -81 -88 +88kg + 1 open vehivavy (1). Tafiditra anatin’ny fampivoarana sy fampiraisana ireo mpi­angaly ity haiady Jiu-Jitsu Brésilien ity izao hetsika izao, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny federasiona, izay tamin’ny janoary 2023 no tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy. Tsiahivina, efa tao anatin’ny fandaharam-potoana ny hikarakara fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara Nach Gi ny federasiona, saingy noho ny tsy fahazoana ny Lapan’ny Fantanjahantena, tamin’ny 10 jona lasa teo, voatery nahemotra amin’ny fotoana manaraka izany. Efa vita tamin’ny 23 marsa lasa teo kosa ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­da­gasikara Nach No-Gi. Ho fanomezana fahafaham-po ny mpikatroka ity taranja ity, nikarakara ny «Squad games» ny federasiona, tarihin’ny filohany, Rakotozafy Johary. Marihina, manodidina ny 500 ny isan’ny mpikambana amin’izao, miisa 15 kosa ny klioba ara-dalàna . Aorian’izao, ny fifaninanana karakarain’ny Club101 amin’ny aogositra no hetsika manaraka, arahin’ilay «grappling» karakarain’ny Attila. Ilay «AJP Tour», atao any Abu Dhabi, no fikasana hivoaka any ivelany ho an’ny federasiona amin’ity taona ity.

Mi.Raz

Partager sur: