Efa nivoaka ny lisitra. Taranja valo no handraisan’ny solontena malagasy anjara amin’ny sehatry ny zavakanto, mandritra ny Lalaon’ny Frankôfônia andiany faha-9. Hotontosaina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny lalao, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Azo lazaina fa manan-ko hantenaina i Madagasikara amin’ireo sokajy hira, angano, hip-hop, « jonglerie », literatiora, hosodoko, saripika, ary sokitra.
Eo amin’ny sokajy fitantarana angano, ohatra, hiaro ny voninahi-pirenena ny Cie Miangaly. Manana 15 minitra i Nathalie Rason (mpisehatra, mpitantara angano) sy i Zo Nirina Nantenaina (mpisehatra sady mpihira), fantatry ny maro amin’ny anarana Nate Tex.
Zo ny Aina
ireo mpandray anjara :
Hira : Tarika Ndaty Lahy. Angano : Cie Miangaly. Hip-hop : Moustik Crew. « Jonglerie » : Pi Freestyle. Literatiora: Narda Natioranomena. Hosodoko: Richianny Raherinjatovo. Saripika: Toky Dimbimalala. Sokitra: Andriantseheno Fitiavana.