Nitondra fanazavana manoloana ny resabe tato ho ato ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera, i Lalatiana Rakotondrazafy, omaly. Nohazavainy ny momba ny fizakan’ny filoha Rajoelina ny zom-pirenena Frantsay.
Nambarany fa voafandriky ny adihevitra diso isika ary tsy tokony hipetraka akory izany.
” Hanakanana ny filoha tsy ho kandidà ireny noho ny zava-bitany. Mora ho azy ny ho lany amin’ny fifidianana. Mahalala ireo kandidà fa tena sarotra ny handresy azy… Tsy olana anefa izany fa tafiditra amin’ny ady fiady, mialoha ny fifidianana”, hoy izy tao amin’ ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono” amin’ny TVM/RNM.
Nohitsiny fa atao ny fomba rehetra tsy hisian’ny fifidianana. Tsy raikitra koa ny fitondrana Tetezamita ka hamafazana lainga ny vahoaka.
Ankoatra izany, nohazavainy ny lafiny lalàna ka notsiahiviny ny voalazan’ny Lalàmpanorenana And 46 milaza fa afa-mirotsaka ho kandidà avokoa ireo rehetra mizaka ny zom-pirenena Malagasy. “Ambony indrindra amin’ ny lalàna ny Lalàmpanorenana… Tsy miteny mihitsy izany hoe ny mizaka zom-pirenena malagasy irery ihany no afaka hirotsaka… Afaka ho kandidà izany rehefa Malagasy”, hoy izy. Mbola ambanin’ny Lalàmpanorenana ny “Code de nationalité”, ny And 42 milaza fa manary ny zo maha malagasy azy ny olona iray misafidy an-tsitrapo hizaka zom-pirenena vahiny.
Nankatoavin’ny HCC ny firotsahan-kofidina
Tsy azo raisina izany ary tsy ambony noho ny Lalàmpanorenana. Voaporofo fa nankatoavin’ny HCC notarihin-dRakotoarisoa Jean Eric ny filatsahan-kofidiny ny taona 2018 amin’ny maha teratany Malagasy azy sy ny fizakany ny zo amin’izany, araka ny nambarany. Nambarany koa fa tsy vakiana mitokana io And 42 amin’ny “Code de nationalité” io. Misy andininy maromaro miaraka aminy, toy ny And 43, 45, 50, 52, momba ny fahaverezana zom-pirenena, ahitana ny fepetra mifandraika amin’izany. Eo ny fangatahana amin’ny governemanta hiala tsy hizaka ny zom-pirenena malagasy. Didim-panjakana soniavin’ny filohan’ny Repoblika izany. “Misy didy momba izany nivoaka ve ?”, hoy ny fanontaniany.
Notsindriny fa tokony ho tapitra eo ny adihevitra momba izany.
Synèse R.