Ny 23 jona 2023 ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana momba ilay raharaha anenjehana an’i Doris, vadin’i Mahery Lanto Manandafy sy Nambinina Herimampianina, Gasy leo, voarohirohy noho ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana teny Analakely. Ho an’i Doris manokana, araka ny fanazavan’ny mpisolovava, tsy mitombina ny fiampangana azy ho nanao fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, fanivaivana mpitandro filaminana. Nohamafisin’ny mpisolovava hatrany fa hoe izay maneho fiantsoana ny olona hidina an-dalambe haneho hevitra tamin’ny haino aman-jery ve dia midika ho fandikan-dalàna? Raha ny lafiny lalàna, tsy tanteraka ilay fikasana satria tsy nisy olona nivory teo ary tsy nanelingelina filaminam-bahoaka izany. Ho an’i Nambinina Herimampianina kosa, nolavin’ny fitsarana koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika ka naverina eny am-ponja izy. Nilaza ho tsy niaraka tamin’i Doris izy. Tsy nisy ny fandikan-dalàna satria tsy nifamotoana teny izy ireo, araka ny filazan’ny mpisolovava. Tsy tanteraka, noho izany, ny fikasana hanao ity hetsika ity.
J.C