Ho fantatra rahampitso alahady 18 jona, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ireo ekipa 4 voalohany, hiatrika ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 20. Tsontsorimamba isarahana ny fihaonana manomboka izao. Tsy misy intsony ny kajikajy fa mangoron-damba avy hatrany izay resy. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny TAM Anosibe sy ny Mang’Arts Manjakaray. Ekipana kartie ny roa tonta ary samy manana mpilalao tanora sy mahay. Miendrika famaranana kely ny azy ireto. Manantombo kely eo amin’ny traikefa sy ny fahazarana lalao goavana ny Anosibe. Na izany aza, efa zanaky ny mahamay koa ny Mang’ Arts ka tsy matahotra izay hangoro-vitsika. Kinga amin’ny filalaovana ao anaty “trois quart” ry zalahy, nefa mafy ihany koa ao anaty “avant”.
Ho resy, araka izany, izay manao tandrevaka amin’ity fihaonana ity. Mialoha io, hifanandrina ny STM (Savony) sy ny FTBA Andohatapenaka. Manana ny fahaizany ny Savony raha mitaha amin’ny FTBA saingy hiezaka hanohitra ireto fileovana ireto. Hangotraka ihany koa ny fihaonan’ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny TFA Anatihazo. Sambany, hihaona eo amin’ny dingana toa izao. Samy manana ny paikadiny ny roa tonta ka tsy hifampitsitsy. Hanokatra ny fotoana ny Cosfa (Bebaoty) sy ny 3FAI. Heverin’ny rehetra fa tsy hahatohitra ny Bebaoty ry zareo Ambalavao Isotry saingy tsy misy resy tsy miady fa aorian’ny 80 mn vao vita ny lalao.
Tompondaka