Sokajin-kanto miaina, mitohy ary tsy lefin’ny taona ny teatra. Misedra olana maro, saingy misy mpanohana sy mpankafy hatrany. Porofon’izany ny nahazoan’ny Tropy Jeannette fanohanana amin’ny tetikasan’izy ireo ato ho ato.
6 tapitrisa Ar mahery, avy amin’ny vondron’orinasa Andriantsitohaina sy ny Fondation Sodiat. Fanohanana hoan’ny Tropy Jeannette, mba hanatanterahan’izy ireo ny tetikasa ho fampiroboroboana indray ny teatra malagasy. Tontosa omaly, tetsy Antanimena, ny fifanaovan-tsonia ho an’ny fifanaraha-miasa eo amin’ny telo tonta. Fantatra fa fanampiana ny tropy ho an’ny fampitaovana eo amin’ny ravaka, ny fitafy enti-misehatra sy ny pitsopitsony ara-teknika izay takin’ny seho teatraly izany.
« Noho ny tsy fahampian’ ny fotodrafitrasa manara-penitra ho an’ny teatra, voatery ny tropy tsirairay miandraikitra ny vesatra rehetra na ara-materialy na ara-bola amin’ny seho izay hatao. Hanampy betsaka anay amin’ ny tetikasa hampitiavana ny teatra malagasy ny fanampiana toa izao, ho fampitiavana ny rehetra ny teatra”, hoy Ravaloson Tsiroy, mpitarika ny Tropy Jeannette, andiany 3B amin’izao fotoana izao.
Hatramin’izao, miisa enina ny seho an-tsehatra homanin’ ny tropy. Akaiky indrindra amin’izany ny rahampitso alahady, manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro. Mila ravaka manokana, satria anisan’ ireo piesy klasika nanamarika vanim-potoana maro ny « H.M », izay ho lalaovin’ny Tropy Jeannette amin’io fotoana io. Tsy mbola nolalaovina ankalamanjana rahateo izany, ka fotoana ahitana ny talentan’ireo mpisehatra mpandimby io. Hahatsapan’ ny besinimaro ihany koa fa mitety vanim-potoana, tsy lefy laza ary miaina ny teatra malagasy.
Zo ny Aina